Miantso Ny Zanak'olombelona Ho Amin'andriamanitra Tokana

Ny vato fototry ny faminaniana dia hitory ny maha iray an'Andriamanitra. Nifototra tamin'io hevitra fototra io avokoa ny Mpaminany rehetra: "Ry vahoakako, derao Andriamanitra, tsy manana zavatra avy amin'Andriamanitra avy any ivelany ianareo" (11:84).

Nandefa Mpaminany iray avy isam-pirenena Andriamanitra farafaharatsiny. Ny zavatra hitambaran'izy ireo izay tsy miankina amin'ny toerana sy ny fotoana dia izy ireo tsy miteny amin'ny nahim-pony manokana; tsy manao afa tsy ny mampianatra ny hafatra noraisiny tamin'Andriamanitra izy. Tsy mitovy hevitra ny filozofa sy mpandinika goavana satria izy ireo dia miankina amin'ny haranitantsainy sy ny bokim-pandinihany.

Na dia ny niara-nobeazina tamin'ny foto-kevitra filozofika na sosiolojika mitovy aza indraindray mifanipaka ny fijeriny.

Tsy mba misy fifanolanana teo amin'ireo mpaminany, porofo manamafy izany fa nobeazin'ny mpampianatra tokana sy mandrakizay izy –Andriamanitra- ary tsy notantanan'ny zohinkevitr'olombelona. Ny firaisan'ny mpino koa dia porofo tsy azo lavina amin'ny maha iray an'Andriamanitra, ny tena fototry ny asan'izy ireo araka ny voalazan'I Mohammed dia: "Ny teny nolazaiko mendrika sy ny Mpaminany teo alohako dia hoe: tsy misy Andriamanitra afa tsy Andriamanitra, tokana izy, tsy misy fanampiny" 13.


[13] Imam Malik, Muwatta, "Hajj," 246; Hindi, Kanz al-'Ummal, 5:73.
Pin It
  • Created on .
Copyright © 2026 Cascade Trust. Fethullah Gülen's Official Web Site. All Rights Reserved.
fgulen.com is the official source and licensor of the works of the renowned Turkish scholar and intellectual Fethullah Gülen. Operated by Paramus Publishing with permission of Cascade Trust.