Miantso Ny Olona Amim-Pahendrena Sy Tambitamby

Andraikitry ny Mpaminany hafa koa ny miantso ny olona ho amn asan'Andriamanitra amim-pahendrena sy fahamarinana. Tsy manao kobaka amin'ny-bava na oviana na oviana izy ireo; faly sy miasa amim-pahendrena izy ireo. Nandidy ny mpitondra ny hafany farany sady lehibe indrindra toy izao Andriamanitra: «Antsoy amin-kerim-po ombam-pahiratan-tsaina ho amn asan'ny Tomponao ny olona; miadia hevitra aminy amn fomba tsara indrindra». (16:125).

Fahatsoram-po sy saina ny olona. Zavaboary avo lenta sy manana fahafahana mandinika toy ny saina, ny fanahy sy ny fo isika. Ireo fahafahantsika mandinika ireo dia mila fahafaham-po na dia ny farany lalina indrindra aza. Miteny amn fahafahantsika misaintsaina rehetra ny Mpaminany.

Noho ny fampianarana azon'izy ireo dia nahatratra ny fahamarinana sy nahafanta-javatra mihoatra noho ny fantatry ny olon-tsotra izay nomena fahitana ivelany voafetra tsy ahitana fahitana lalina ara-panahy ny mpanaradia ny Mpaminany. Lehibe ny fahareseny lahatra amn fahamarinana ara-pivavahana ary mahatsapa hatrany ny fanambarana avy amin'Andriamanitra izy ireo. Tanterahany amin'ny asa ny teny, ary amin'ny fampiharana ny teoria, ary asa amin'ny fandinihana lalina. Hoy I Ali ibn Talib: "Na hipoitra aza ny voalin'ny tsy hita maso dia tsy hitombo intsony ny fahamarinako"12. Tsy misy ambaratongam-pahamarinana antonona azy intsony. Voafaritra tamim-pahamalinana ny fanabeazana nomen'ny Mpaminany ireo mpanaradia azy:

"Ary handefasanay mpitondra hafatra avy aminareo ianareo mba hilaza aminareo ny teninay sy hanadio anareo ary hampianatra anareo ny boky marina sy ny fahendrena sy izay tsy fantatrareo" (2:131);


[12] ‘Ali al-Qari, Al-Asrar al-Marfu‘a, 286.

Pin It
  • Created on .
Copyright © 2026 Cascade Trust. Fethullah Gülen's Official Web Site. All Rights Reserved.
fgulen.com is the official source and licensor of the works of the renowned Turkish scholar and intellectual Fethullah Gülen. Operated by Paramus Publishing with permission of Cascade Trust.